INDRAY MIJERY

Nanao fampahafantarana ny tompon’andraikitra fa mitombo ny marary eny amin ny tobim-pitsaboana Ostie amin’izao fotoana. Tamin’ny 22 desambra teo dia efa nahatratra 9167 ireo marary nanao fizaham-pahasalamana. Tsikaritra fa mahery ny gripa. Ny areti-tenda sy ny aretin-kibo dia ahitana tranga maro ihany koa. Mila mitandrina sy misoroka ny tsirairay.
Voaporofo fa trangan’aretina pesta no nahafaty ilay zaza tao Ambositra, raha ny tatitry ny tomponandraikitra any an-toerana. Nandray fanapahan-kevitra ny tomponandraikitra eny ifotony amin’ny fanentanana momba ny fahadiovan’ny tanàna sy ny trano. Rehefa misy tranga mampiahiahy dia tokony manatona tobim-pahasalamana avy hatrany. Maimaimpoana ny fitsaboana amin’ny tobim-pahasalaman’ny fanjakana.
Amin’izao taona vaovao izao dia maro ireo manao fanamby ny hanao fitaizam-batana ka hanao fanatanjahantena mitohy ho fikajiana ny fahasalamana. Mana­porofo izany ny fahafenoan’ireo toeram-pikotranana. Tsy tokony ho taitaitra am-boalohany fa manana faharetana rehefa mitaiza vatana raha ny torohevitry ny Coach.

Partager sur: