Fandaharam-potoana goavana anisan’ny miandry ny Jiu-jitsu Breziliana amin’ity taom-pikatrohana 2026 ity, ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany hatao amin’ny volana novambra. Efa manomana izany ny klioba, toy ny Checkmat, araka ny nambaran’ny Coach Pay Rasamy. Manao fanazarantena intelo isan’andro ao amin’ny Dojo eny Antaninandro, ny mpikatroka handray anjara. Fifaninanana hatao any Abu Dhabi
Ny maraina amin’ny 8 ora sy sasany hatramin’ny 9 ora sy sasany, ny atoandro amin’ny 12 ora hatramin’ny 2 ora ny fanazaratena. Mitohy ny hariva amin’ny 6 ora hatramin’ny 8 ora izany, raha ny fanazavana hatrany. Tsiahivina fa anisan’ny manana mpikatroka maro miatrika fifaninanana iraisam-pirenena ny klioban’ny Checkmat Efa mpahazo vokatra tsara hatrany. Anisan’izany i Chafik Bigjee izay efa voahosotra ho tompondaka maneran-tany, ny taona 2025. Teo ihany koa Mahaisoa, izay nahazo medaly alimo tamin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany farany teo. Ankoatra izay, medaly 20 no efa azon’ny klioban’ny Checkmat tamin’ny Open Africa natao tany Maorisy ary medaly volafotsy tamin’ny Grand Slam d’Abu Dhabi.
Mi.Raz




