Rotsakorana be loatra : Lasibatra Analamanga, 11 ny olona maty

Mahita faisana amin’ny rotsakorana be loatra ny faritra Analamanga. Tafakatra 11 ny maty, nisy enina hafa naratra. Maro ko any fotodrafitrasa simba.

Hatramin’ny omaly, ny faritra Analamanga iha­ny aloha no nitondra takaitra vokatry ny orambe nirotsaka nanomboka ny faraparan’ny volana novambra lasa teo hatramin’ny omaly ao anatin’ny fotoam-pahavaratra 2025-2026. Valo ny distrika voakasika ary 10 ny kaominina nahitana voina sy faharavana fotodrafitrasa samihafa. 11 ny olona maty vokatra ny orambe nisesy nanomboka ny 24 novambra lasa teo hatramin’ny omaly, araka ny tatitra avy any amin’ny BNGRC omaly maraina. Efatra namoy ny ainy nilatsaha-potaka tany Anjozorobe, iray tany Bema­so­andro Itaosy vokatry ny firodanan’ny trano, efatra hafa tao Soavina mbola vokatry ny firodanan’ny trano ihany koa ary roa hafa teto Antananarivo Renivohitra maty noho ny firodanan’ny trano.
Tsy misy kosa aloha hatreto ny olona tsy hita popoka. Enina ireo maratra vokatry ny takaitran’ny orana, efatra teto Antananarivo Renivohitra ary roa tao amin’ny distrikan’ Antananarivo Atsimondrano. Nahatratra 274 ny olona traboina avy amin’ny tokantrano 69, misy olona 169 voatery nafindra monina avy amin’ ny tokantrano 43. Toeram-pandraisana efatra no nametrahana ireo olona 49 nafindra toerana vonjimaika. Namonjy havana sy fianakaviana ny olona 120. Hatramin’ny omaly, 13 ny trano dibo-drano, roa nahitana fahasimbana ary 24 hafa ravan’ny orana.
Ankoatra ny tatitra avy any amin’ny BNGRC, tsikaritra fa betsaka ny rano mihandrona vokatry ny orambe, anisan’izany ny eny Andravoahangy ambany sy ny manodidina. Voatery mandeha sarety entin-tanana ny olona mpandeha an-tongotra mifamezivezy eny an-toerana. Misy tsena rahateo eny ka tsy tapaka olona mifamoivoy hivarotra sy hividy entana. Misy milina mamoaka ny rano mihandrona ihany hampikorina ny ranon’orana saingy tsy maharaka.

Vonjy

Partager sur: