Hisantaran’ny Rugby malagasy ny taona 2026 ny fifaninanana iraisam-pirenena. Anisan’ireo firenena hiatrika ny “sevens challenger series”, lalaovina olona 7, lehilahy, ny Makis-n’i Madagasikara. Hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “circuits mondiaux”. Ao amin’ny vondrona “B” ny Malagasy, amin’izany.
Hotanterahina ao amin’ny kianja Stadium Dubai, ny sabotsy 17 sy alahady 18 janoary ho avy izao ny fiadiana ny “sevens challenger series” ho an’ny diviziona fahatelo, taranja rugby lalaovina olona 7, sokajy lehilahy sy vehivavy. Anisan’ireo firenena hiady izany ny Makis-n’i Madagasikara, lahy. Efa ao anatin’ny tsipika mahitsy farany amin’ny fanomanana ny ekipam-pirenena malagasy amin’izao fotoana izao. Raha tsy misy ny fiovana, hivoaka amin’ny faran’ity herinandro ity ny anaran’ireo mpilalao 12 voatazona hiaro ny voninahi-pirenena.
Ao amin’ny vondrona “B” ny Makis-n’i Madagasikara miaraka amin’i Belgique sy i Canada ary i Italie. Hotanterahina ny sabotsy avokoa ireo lalao fifanintsanana isam-bondrona ka hisantatra ny fifaninanana, amin’ity “sevens challenger series” ity ny fihaonan’ny Makis sy i Belgique. Aorian’ io hifanandrina amin’i Italie ny Makis ary hamarana ny fihaonana amin’i Canada. Ry zareo Kanadianina izay fantatry ny Makis tsara satria efa nifanandrina tamin’izy ireo, nandritra ny fifanintsanana tamin’ny taon-dasa.
Hitohy ny alahady ny fihaonana ka hiatrika ny manasa-dalana ny ekipa roa voalohany isam-bondrona. Ny voalohany ao amin’ny vondrona “A” hifanandrina amin’ny faharoa ao amin’ny sokajy “B” ary ny voalohany ao amin’ny “B” hifanazava amin’ny faharoa, sokajy “A”.
Hiady laharana fahadimy kosa ny fahatelo vondrona “A” sy ny fahefatra “B” sy ny fahatelo sokajy “B” ary ny fahefatra ao amin’ny “A”. Marihina fa miakatra ao amin’ny “sevens challenger series”, diviziona faharoa amin’ny taona ho avy ireo ekipa roa voalohany miatrika ny famaranana. Tsiahivina fa miaraka ao amin’ny sokajy “A”, i Colombie, Hong-Kong Chine ary i Samoa sy i Tonga.
Tompondaka




