TARATRY ny KANTO

Nanavao ny momba azy manontolo ny Zanabaliha. 30 taona katroka tamin’iny taona nivalona iny no nijoroan’ity sehatra mikirakira momba ny zavakanto sy ny kolontsaina ity. Ny 3 janoary 2026 teo, nandritra ny fihaonan’ny mpanorina sy ny mpikambana ankehitriny no nanambarana fa miatrika fanavaozana lehibe ny Zanabaliha. Nohatevenina ny sehatra hanatanterahiny ny fampivelarana ny kolontsaina. Hisokatra bebe kokoa amin’ny any ivelany izany. Ankoatra ny hira, dihy malagasy, kabary, soratra, izay efa nahazatra azy hatramin’izay. Hisy ny famohazana indray ny fahaizan’ny Malagasy mifehy ny zavaboahary.
Vitsy ihany ireo mpanakanto mahavita ma­metraka fanamby. Taona vaovao, fanatanterahina asa vaovao. Fanatsarana sy fanohizana ny tsara teo aloha. Tsy afaka mametraka izany loatra ny tontolon’ny kanto eto Madagasikara, noho ny zava-misy. Mbola sarotra ny lalana diavin’ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy, satria, efa raiki-tampisaka ny fanaovana Fa­ra­lahinjaza ity tontolo ity. Tsy mampiraika loatra ny fa­havoazana mihatra aminy. Latsa-danja raha mitaha amin’ny toekarena, politika…
Taona 2026, mila omena vahana ny « harena ny fahasamihafana ». Manan-karena ny kolontsaina malagasy. Hatramin’izao, anefa, tsy mbola misongadina izany. Na ireo ambara ho « tsy misy manana » aza, toa tsy mbola mitondra zavatra mivaingana ho an’i Mada­gasikara. Fotoana hoentina mampisongadina ny ko­lontsaina sy ny zavakanto manerana ity Nosy ity izao. Tsy tontosa anefa izany raha tsy miainga any ifotony.

Partager sur: