Mbola mitana ny sain’ny maro ny herisetra an-tsekoly izay miteraka famoizam-po mihitsy ho an’ireo ankizy sasany. Loza mitatao ho an’ny fahasalamana ara-tsaina ny herisetra atao amin’ny ankizy any an-tsekoly raha ny fanehoan-kevitry ny dokotera iray.
Mampitombo avo telo heny ny fahaketrahana ara-tsaina ny fiaretana izany herisetra izany. Miteraka fanahiana lava sy tsy fahitan-tory, tebiteby lava. Ny tena zava-doza dia mitondra ilay ankizy amin’ny tsy fahatokisan-tena ary entiny mandra-pahalehibeny ka sarotra aminy ny mandray fanapahan-kevitra na maneho hevitra any aoriana. Lasa mamolavola ny toe-tsainy sy ny toe-pony ka miforitra anaty, tsy sahy miteny, tsy sahy mijoro….
Tsy any an-tsekoly ihany anefa no ahita ny herisetra fa na ao an-tokantrano aza dia misy herisetra mahazo ny ankizy ka mitaiza azy sy lasa anahafany ny toetrany. Anaovana fiteny levilevy, fanambaniana, teny ratsy, ompa, sangisangy zary tena izy… Tsy zava-poana ireny na tokony ho mandeha ho azy fahazarana fa tena mandratra sy mampilofika ny herim-pon’ny ankizy.
Eo indrindra koa ny fiakaviana sy ny tanora namana izay manapempo lava sy mitondra onja miiba ho an’ny ankizy sy ny tanora fa tsy manana fahazarana miteny zavatra tsara sy mihabo ka lasa mamotika.
Mitaky fiovana miainga ao amin’ny ray aman-dreny ny ady amin’ny herisetra. Mila sahy mijoro ny olon-dehibe manitsy sy miteny am-pahendrena rehefa mahita trangana herisetra na am-bava na ara-batana na ara-tsaina.
Tatiana A




