Hetsika Fosika: Miisa 272 ireo fitarainana voaray

Iray volana katroka izay no nanaovan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny hetsika “fosika”, izay hitsirihana ireo diplaoma hosoka sy tsy fahatomombanana amin’ireo sekoly ambony.
Nahatratra 272 ireo fitarainana voaray tao anatin’izay iray volana izany. 98 amin’izany no efa nandraisana fepetra rehefa voamarina sy voaporofo, ny ambiny kosa eo am-pikirakirana.
Miisa 17 ireo fitarainana nalefa any amin’ny Bianco hanaovana fanadihadiana lalina. Miisa 73 kosa ny fitarainana kirakiraina eo anivon’ny sampandraharaha miady amin’ny kolikoly (CAC) mahakasika ny fandraisana mpiasa tsy ara-dalàna, ny herisetra ary ny diplaoma sandoka.
Roa kosa ny sekoly doktoraly hanaovana fanadihadiana manokana mahakasika ny fanohanana vokam-pikarohana. Roa ihany koa ireo tolotra fanofanana avy amina oniversite tsy miankina naato. 4 ny oniversite tsy miankina hanaovana fanadihadiana.
Nanamafy ny minisitera fa mitohy hatrany ny fandraisana andraikitra sy ny fanaraha-maso, ho fanamafisana ny mangarahara, ny fahitsiana…

Tatiana A

Partager sur: