Nisy ny fiaraha-miasa amin’ny fitaleavam-paritry ny fahasalamam-bahoaka sy ny fitaterana ary ny famantarana ny toetr’andro ao amin’ny faritra Bongolava. Notsindriana manokana ny andraikitra tsy maintsy ataon’ireo mpamily fiarakodia hisorohana ny valanaretina Mpox. Tsy maintsy manao arovava orona ny mpandeha rehetra mandritra ny dia. Soratana mazava ao anaty “Manifold” avokoa ny lisitry ny mpandeha tsirairay, ny toerana halehany ary ny laharana finday. Ampirisihana ireo mpandeha hanasa tanana amin’ny rano sy savony na hampiasa “Gel hydroalcoolique” alohan’ny hiditra ao anaty fiara.
Miroso amin’ny famokarana fitaovam-pandrefesana ny singa mandrafitra ny toetry ny andro mahaleo tena, izay vita eto an-toerana sy novolavolain’ireo injeniera malagasy ny foibe famantarana ny toetry ny andro Madagasikara. Efa nisy ny andrana natao ny 29 desambra 2025 lasa teo. Vina napetraky ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro ho an’ity taona ity ny tetikasa izay mikendry ny fampanatonana sy ny fanokafana ny tolotra famantarana ny toetry ny andro ho an’ny rehetra.
Miatrika fiofanana mahakasika ny fitantanana mirona mankany amin’ny vokatra ireo tomponandraikitra rehetra eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Ny Mpandrindra ankapobeny ireo tetikasa eo anivon’ny minisitera no nampiofana mandritra ny roa andro. Natao ny fiofanana ho fanamafisana ny fahaiza-manao sy ho fanatrarana ireo tanjona mifanaraka amin’ny politikam-panjakana.




