Ampy ny tranolay handraisana ny traboina vokatry ny rotsakorana be fa ny toerana azo antoka hametrahana azy no manahirana indrindra eny amin’ny toerana avo izay tsy misy faritra malalaka hananganana azy. Mbola maro koa ireo olona tandindomin-doza amin’ny bolongam-bato eny amin’ny faritra avo no manohitra tsy mety miala amin’ny tokantranony, hoy ny BNGRC.
Manaraka akaiky ny fivoaran’ny fihetsehan’ ny bolongam-bato, miisa 20, eny amin’ny faritra avo ny BNGRC ao anatin’ny fotoam-pahavaratra sy ny orana tsy miato eto Antananarivo. Mbola loza mitatao hatrany ireo bolongam-bato ireo ary tsy maintsy alana ireo mponina rehetra voakasika rehetra tonga ny loza, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, jeneraly Ramanantsoa Gabriel, omaly, teny Andrainarivo. Tsapa fa misy ny fanoherana avy amin’ ny mponina satria mila vahaolana maharitra izy ireo fa tsy hipetraka any amin’ny tranolay fotsiny. Ny taona 2021, taorian’ny fikorisan’ny vato avy any ambony ka namoizana aina 25. Nafindra teny Ambohidratrimo ireo fianakaviana tandindon-doza fa lavitra ny fianarana sy ny asa ka tsy nety tamin’izy ireo. Hoentina eo anatrehan’ny filankevitry ny minisitra hijerena vahaolana maharitra sy ny fepetra mifanaraka amin’ny zava-misy ity olana ho an’ny faritra avo ity, araka ny nambarany ihany. Soso-kevitra naroso ny fametrahana amin’ny toerana efa vonona naorian’ny fanjakana ireo fianakaviana ireo. Ankoatra izay, misy koa ireo mbola niverina nipetraka eny indray rehefa niala taorian’ny loza niseho ka mila fandraisana andraikitry ny rehetra na ireo mpanofa sy ny tompon-trano. Sarotra ny hanapoaka ilay vato satria mety hirodana ireo trano eny ambony miorina. Ahina hihetsika ka hianjera ety ambany kosa ireo vato anatin’izao fotoam-pahavaratra izao, hoy ny lehiben’ny Cervo eo anivon’ny BNGRC, Rakotonanahary Jean Yves Ravo.
Momba ny takaitran’ny andro kosa, nisy fiantraikany amin’ny faritra roa Analamanga sy Alaotra Mangoro ahitana distrika 11 sy kaominina 12 voakasika mivantana. Hatramin’ny omaly, 11 ihany ireo maty ka efatra nilatsaham-potaka avokoa. Fahafatesana noho ny fianjeran’ny trano kosa ny olona dimy maty teto Antananarivo. Nafindra toerana ny fianakaviana 290 ho an’ny faritra roa.
Vonjy




