SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina anio, any Arabia Saodita, ny lalao manasa-dalanan’ny fiadiana ny amboarabe an’i Espagne. Hifanandrina amin’izany, ny Real Madrid sy ny Atletico de Madrid. Mbola manala vela amin’ity fifandomana ity, ny Real Madrid, satria efa resin-dry zareo Atletico tamin’ny isa 5 no ho 2, ny madrilenina, nandritra ny lalao nihaonan’ny roa tonta farany.

Misokatra ny fandraisana ny antontan-tara­tasy ho an’ireo maniry ny ho CTR (Conseillers Tech­ni­ques Régionales), eo anivon’ny ligin’Analamanga ta­ranja basikety. Hatramin’ny zoma 16 janoary izao no faran’ny fandraisana izany antontan-taratasy izany, araka ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny birao mpanatanteraky ny ligin’Analamanga.

Hanainga eto an-tanindrazana, ny alarobia 14 janoary, hihazo an’i Portugal ny mpikatroka taranja Jiu-jitsu breziliana, Ranarivelo Xavi, hiatrika ilay fia­diana ny tompondakan’i Eoropa, eo amin’ity taranja ity. Ny
15 hatramin’ny 26 janoary izao no hanatanterahana izany, ka ny 16 janoary no hiakatra an-tsehatra i Xavier.

Partager sur: