Mitaintaina ny tontolon’ny zavakanto… Tsy mbola fantatra mazava, ankehitriny, ny mety hafitsoky ny aretina nendran-drajako, izay nambara fa efa misy eto Madagasikara. Miteraka tebiteby eo amin’ny sehatry ny zavakanto malagasy izany, satria, raha sanatria ka mihanaka be ao anatin’ny fotoana fohy izy ity. Azo inoana fa handray ireo fepetra mifanaraka amin’izany ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany. Mety tsy ho azo atao, ohatra, ny mivorivory na miangona amina toerana iray.
Mbola tsy afa-manoatra ? Ireo mpihiragasy, mikarakara ny fambolena. Ny lalana rahateo ratsy. Ny toerana hanaovana fampisehoana, mbola vitsy ihany no mitafo, sns. Mety tsy ho olana goavana ireo amin’ ny lafiny iray. Mety hampiova endrika ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto kosa raha vita ny mandingana azy. Ohatra, hamaroina ny toerana mitafo ahafahana manatanteraka hetsika kolontsaina sy zavakanto. Tsy voatery ho goavana be akory fa ampifanarahana amin’ny filan’ilay kanto.
Manana ny ambarany ny tantara.
Io no ambaran’ireo manam-pahaizana sy manam-pahalalana momba ny tantara
rehefa tsapany fa maro ireo porofo eo an-tanany. I Madagasikara manokana. Noho ny nandiavany ny vanim-potoana fanjanahantany sy ny fanjanahantany amin’ny endriny vaovao. Maro ireo tantara nodisoina… Ny manam-pahaizana sy mpikaroka teratany malagasy no andrasana hanarina ireny nataon’ny vahiny ireny. Liana amin’izany ve, anefa, ry zareo ireny ?




