fandrindram-piterahana : Tsy voatery hifampierana

Araka ny voalazan’ny lalàna laharana faha-2017-043, toko faha-7 andininy faha-30 dia zo fototra ny zo eo amin’ny lafiny fahasalamana ara-pananahana. Voalaza ao anatin’izany fa afaka manapa-kevitra malalaka momba ny fotoana hiterahany ary misafidy ny isan’ny zaza haterany sy ny elanelam-piterahana tiany ny olona rehetra.
Tsy mila fahazoan-dalana avy amin’ny vady na ray aman-dreny ny fanatanterahana izany. Malalaka ny tanora manatona ny tobim-pitsaboana ka manontany izay fomba fandrindram-piterahana mety amin’ny fahasalamany. Efa misy rahateo ireo tobim-pahasalaana sakaizan’ny tanora mahafehy tanteraka izany ary tena manoro tsara ny tokony ho fantatra rehetra.
Zo fototra ny mahazo fahalalana sy fampahafantarana ary fanabeazana sy tolotra mifanaraka amin’ny filany ara-pahasalamana ara-pananahana. Anisan’izany ny fandrindram-piterahana sy ny fisorohana ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo ary ny fiarovana amin’ny fitondran-tena mampidi-doza.
Tokony hanome tolotra ara-kalitao mitohy, tsy tapaka ary mifanaraka amin’ny filan’ny olona amin’ny lafiny fahasalamana ara-pananahana ny tobim-pahasalamana rehetra manerana ny Nosy.
Tsy maintsy mitazona ny tsiambaratelo ara-pitsaboana ny mpiasan’ny fahasalamana ary manaja ny safidy manokana eo amin’ny fandrindrana ny fiainam-piterahana.

Tatiana A

Partager sur: