INDRAY MIJERY

13 ny olona namoy ny ainy vokatry ny orana nirotsaka tsy niato. Faritra efatra (kaominina 14 amin’ny distrika 13) no nitondra takaitra tamin’izany. Iray no maty tao Morondava sy iray hafa tany Betioky Atsimo no nahatonga ny antontanisa niakatra ho 13. Olona enina no naratra. 3 847 ny olona traboina (tokantrano 1 018), olona 2 250 nafindra toerana (tokantrano 527). Nahatratra 770 ny trano dibondrano, 33 ny trano simba ary 107 rava.

Anisan’ny laharam-pahamehan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny fametrahana rafitra mampiaty, manaja ny zon’ny tsirairay. Anisan’izany ny fanatsarana ny fotodrafitrasa ao amin’ny ivontoeram-panofanana ho an’ny olona manana fahasembanana. Noho izany, nisitraka rano madio fisotro ny CNFPPSH Ampandrianomby. Ny fametrahana ny vovo (forage) ahazoana rano fisotro madio dia antoka iray lehibe ahafahan’ny mpiofana manovo fahalalana ao anatin’ny fahadiovana sy fahasalamana.

Manamafy ny hetsika sakana hiarovana aminy Mpox ny oniversiten’i Mahajanga. « Gel désinfectant » sy arovava orona maro no naterina eny amin’ny Campus Ambondrona natolotra ho an’ireo mpianatra hanampiana azy ireo amin’ny fiarovana ny mety hidiran’ny Mpox ato amin’ny toeram-ponenan’izy ireo. Nidina teny am campus Ambondrona tamin’ity herinandro ity ny Préfet-n’i Mahajanga sy ny filohan’ny oniversiten’i Mahajanga sy ary ny Talen’ny ILC-SS.

Partager sur: