Is’Art Galérie : « Tambatra », fanehoan-kanton’ireo mpanao hosodoko

Mpanao hosodoko efatra, samy manana ny aingam-panahiny sy ny fironany amin’ny hosodoko, no hiara-hisalahy amin’ny « Tambatra ». Fampirantiana hanehoan’izy ireo hafatra iombonana amin’ny alalan’ny zavakanto.

«Tambatra», maneho ny fiarahana, fiombonana, firaisankina, sns. Hanehoan’ireo mpanakanto ireo hevitra maro tsy tabaina, kanefa miboika ana­tin’izy ireo ihany koa. Fampi­ran­tiana iray, hahitana ny sanganasan’i Amir J, Natoa Rasolonjatovo, Isaac Azaly ary i Andry Marcel izany, izay hatao ao amin’ny Is’Art Gale­rie Mahatazana, ny 15 janoary hatramin’ny 5 febroary ho avy izao.
Fafana maromaro no ha­tambatra, haneho ilay lalan-tsaina voizin’ny « Tambatra », mandritra ireo fotoana ireo. Fironana samihafa, fanehoan-talenta samy manana ny azy ny an’ireo mpanao hosodoko ireto kanefa niniana nampiarahana mba haneho ny lohahevitra. Ny marina kokoa, haneho ny tsy ambara an-tsoratra na renesi-peo, amin’ny alalan’ny jery mandona fanahy. Toro-lalana fotsiny ho an’ny mpitsidika, fa azy ireo ihany ny famantarana ny hafatra ao ambadiky ny hita sy ny ita.
Samy manana ny hanitra ho azy tokoa mantsy ireto mpi­angaly hosodoko ireto. Iray amin’ireo mpanakanto ma­nam­batra ny fototry ny hosodoko sy ny fifehezany ny tontolon’ny niomerika i Isaac Azaly. Manana ny fanehoany ny kantony azy manokana, no­­­volavolainy avy amin’ireo trandraka maro nataony izy. Nampiana-tena, na ny marina kokoa nentin’ny aingam-panahiny hamoaka ny kantony i Andry Marcel. Nanomboka ny taona 2010 izy no naneho ny fanambarany ny hosodoko sy ny sokitra, avy amin’ireo akora nahodina.
Anarana fantatry ny maro eo amin’ny sehatry ny hairaha ara-endrika amam-bika ihany koa i Natoa Rasolonjatovo. Mivoaka eny amin’ny sanganasany ireo karazam-pihetseham-po marolafy, ka zary fampitan-kafatra mafonja ho an’ny manam-panahy ireo vokatry ny aingam-panahiny. Tsy latsa-daza amin’ireo namany i Amir J, izay efa nanoritra ny lalany eo amin’ny sehatry ny hosodoko malagasy ihany koa. Mora fantatra eny foana ireo sanganasany : fotsy ny tokotaniben’ny sary, maneho endrika tsotra, manakaiky ny misy, ny hiainana isan’andro eny rehetra eny. Mety tranga mandalo fotsiny ho an’ny Malagasy rako-pantsy, saingy lasa kanto mandraraka ivy no hita taratra amin’ireo sanganasany…

Zo ny Aina

Partager sur: