SOMBIM-BAOVAO

Efa hifarana ny fifanarahana eo amin’ilay frantsay mpanazatra, Corentin Martins sy ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Araka ny loharanom-baovao, maniry ny hanavao izany ny eo anivon’ny rafitra federaly taorian’ireny vokatra ireny, saingy miandry ny valin-tenin’ny fanjakana. Tsiahivina fa hiarahan’ny FMF sy ny fanjakana ny fandoavana ny karamany.

Hotontosaina eto Madagasikara, ny andiany voalohany amin’ny “Championnat des Nations Zone 7”, taranja Volley ball, amin’ity taona 2026 ity. Ny volana febroary izao dia efa hanomboka ny fitiliana izay handrafitra ny ekipam-pirenena hitiliana izay mpilalao mendrika hiatrika izany ary hanomboka tsy ho ela ny fampivondronana.

Tontosa ny afakomaly teo, ny lalao manasa-dalan’ny Super Coupe d’Espagne, nifanandrinan’ny Fc Barcelone sy ny Athletic Bilbao. Nomontsanin’ny Barça tamin’ny isa 5 no ho 0 ny klioba Bilbao. Teo amin’ny fizaram-potoana voalohany, efa nitarika 4 no ho 0 izy ireo. Hifandona amin’ny FC Barcelone eo amin’ny famaranana ny iray amin’ny Real Madrid sy Atletico de Madrid.

Partager sur: