Nanainga ny alarobia lasa teo, Rakotondrainibe Jean François Daniel (Zigle) sy Rakotoarisoa Yves Sedrick, mpilalao tsipy kanetibe. Nihazo an’i France ary hamonjy ny Décines, klioba vaovao hilalaovan’izy mirahalahy. Noho ny vokatra tsara azon’izy ireo, nandritra ireo “Tournoi” maro loko notanterahina tany France, tamin’ny taon-dasa no naharesy lahatra ity klioba frantsay ity.
Raha tsiahivina, nandrombaka ny ho tompondaka maneran-tany teo amin’ny “tir de precision” i Zigle ny taona 2024 ary nandrombaka ny amboara tamin’ny Mondial La Marseillaise kosa i Sedrick. Madagasikara no hany ekipa vahiny voalohany nandrombaka izany, hatramin’izay nisian’io fifaninanana tao Marseille ity.
Ankoatra izay, anisan’ny nampiavaka ireto mpilalao tsipy kanetibe malagasy ireto, ny nandrombahan’i Sedrick ny “Boule d’or 2025”. Teo koa ny nahazoan’i Zigle ny “La main d’or” nandritra iny taona lasa iny. Haharitra telo taona ny faharetan’ny filalaovan’i Sedrick sy i Zigle ao amin’ity klioba Decines, ity. Raha ny fandaharam-potoana, hiatrika avy hatrany ny “National de Tour”, izy mirahalahy amin’ity faran’ity herinandro ity. Etsy ankilany, hiaraka ao amin’ny ekipan’i Bron, ireo frantsay i Bonetto sy i Christophe Sarrio. Andrasan’ny rehetra, araka izany, fifanandrinan’izy ireo amin’i Zigle sy i Sedrick.
Tompondaka




