Zon’ny vehivavy : Fikambanana efatra hitondra ny feo ho iray

Vehivavy mpitolona efatra, nitambatra hitondra feo iray ho an’ny zon’ny vehivavy no nampahafantatra ny fiforonan’ny hetsika lehibe iray iarahan’izy ireo mandritra ny herintaona. Hitondra vokatra mivaingana ho fiarovana ny vehivavy sy hampiharana ny lalàna hisitrahan’ireo niharan’ny herisetra izy ireo.

Nitambatra ny vehivavy efatra samy efa manana ny fikambanana sy mpamorona hetsika manodidina ny ady ho an’ny zon’ny vehivavy sy fandraisana an-tanana ireo niharana herisetra eto amintsika : Viviane Raha­riniaina mpanorina ny Fleurs eveillés, Kemba Ranavela mpitarika ny Nifin’akanga, Ra­zanajafy Florentine filohan’ny fikambanana Tao ary Jessica Lolonirina avy amin’ny Wo­men break the silence. Hi­tondra feo tokana izy efatra manomboka eto mba hanakoako ny ady ho an’ny zon’ny vehivavy. Satria, samy nanao hetsika nandeha nitokana teo aloha, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra ao amin’ny Women break the silence, omaly, teny Faravohitra.

Hiakatra ny tendrombohitr’i Kilimandjaro

Hetsika voalohany hanamarihana ny fiarahana ny fiakarana ny tendrombohitra Kilimandjaro ataon-dRaza­najafy Florentine. Hitondrana ny ady fiarovana ny zon’ny vehivavy, indrindra ny zo hanana fahefana amin’ny vatany. Faharoa, ny fampiharana ny lalàna hisitraka fa­nampiana ara-bola, amin’ny fitsaboana, ara-psikolojika ho an’ireo olona niharan’ny herisetra. Efa lany teny anivon’ny Antenimiera roa ny lalàna ny taona 2022 nefa tsy hita ny fandaharanasa fanatanterahana hatramin’izao.
Haharitra herintaona ny hetsika iraisana ka tanjona lehibe ny fampiharana ny lalàna efa voalaza etsy ambony sy hanokatra adivehitra nasionaly momba ny zava-misy eto Madagasikara manodidina ny fanajana ny zon’ny vehivavy. Manao antso amin’ny filohan’ ny Fanavaozana izy efatra handray sy hihaino azy ireo fa fotoanany izao.
Herinandro ny faharetan’ny fiakarana ny tendrombohitra ary misy fijanonana impito. Hisy “dedicace” mifototra amin’ny lohahevitra fito ho an’ireo vehivavy nahavita betsaka momba ny zon’ny vehivavy.

Vonjy

Partager sur: