Kolontsaina sady soatoavina malagasy anisan’ny miroborobo fatratra ankehitriny ny kabary. Sehatra maro no ahenoana azy. Tsy manalavitra ny kabary ny fihavanana. Hiara-dalana sy hifameno ireo.
Hotontosaina manerana ny Nosy sy any ivelan’i Madagasikara ny fankalazana ny Androm-pirenena ho an’ny kabary ho an’ity taona 2026 ity. Samy manana ny hetsika hotanterahiny isan-tsehatra (fikambanana, vondrona, …) izy ireny ny alakamisy 15 janoary izao. Iraisana kosa ny lohahevitra : « Kabary malagasy manamafy fihavanana, arofanin’ny fiarahamonina ». Omena lanja hipaka any anivon’ny fiarahamonina amin’ny alalan’ny kabary ny fihavanana izay sady kolontsaina no soatoavina malagasy. Ho an’ny eto an-dRenivohitra manokana. Amin’ny 7 ora sy sasany, hanomboka etsy amin’ny ENS Ampefiloha ny diaben’ny mpikabary. Amin’ny 9 ora, tanterahina ao amin’ny Havoria Anosy ny lanonana ofisialy hankalazany Androm-pirenena ho an’ny kabary.
Raha tsiahivina, ny 21 oktobra 2016, tao amin’ny Tranombokim-pirenena Ampefiloha (Efitrano Rado) no nanapahana fa isaky ny 15 janoary no hapetraka ho Androm-pirenena ho an’ny kabary. Nandray anjara tamin’izany dinika izany ireo fikambanana misehatra amin’ny tontolon’ny kabary sy ny avy tao amin’ny minisiteran’ny kolontsaina, ary ny avy amin’ny Federasionin’ny mpikanto ny teny sy ny soratra.
Mitombo hatrany ny fitiavan’ny Malagasy ny kabary. Mbola mitoetra ho olana kosa, anefa, ny fitazonana ny fototry ny kabary. Tsy vitsy amin’ireo lazaina ho mpikabary, ankehitriny, no « havanana amin’ny fanaovana tsianjery sy kalaza amin’ny famerenan-desona rehefa eny an-kianja ». Tranga mila itadiavam-bahaolana haingana mba tsy hitsingevana ny kabary malagasy ka ho zary « lamaody » .
HaRy Razafindrakoto




