Niharan’ny herisetra tany France, ny Malagasy mpilalao tsipy kanetibe, i Zigle sy i Yves Sedrick. Nisy nandroba ny fiara nitondra ny entan’izy ireo ny alakamisy alina ka very tamin’izany ny valizy nisy ny akanjo sy ny antontan-taratasy sarobidy, hipetrahan’izy mirahalahy any an-toerana.
Niteraka resabe teto Madagasikara sy tao anaty tambanjotran-tserasera ary tany ivelany, ny zava-doza nanjo ireo Malagasy mpilalao tsipy kanetibe mirahalahy, Rakotoarisoa Yves Sedrick sy Rakotondrainibe Jean-François Daniel (Zigle). Raha tsiahivina, nanainga teto Madagasikara, nihazo an’i France hamonjy ny kliobany vaovao izy ireo, ny alarobia lasa teo. Vao nigadona tany an-toerana ny alakamisy alina, tratry ny fandrobana ny fananan’izy ireo.
Araka ny fampitam-baovao avy any France, nijanona nividy zavatra teo amin’ny Carrefour tao Vaulx-en-Velin, Lyon izy ireo ka tamin’izany indrindra no nisy namaky ny fiara nisy ny entanan’ireto Malagasy ireto. Very tamin’ izany ireo valizy nisy ny akanjo sy ny antontan-taratasy sarobidy.
Manoloana ity tranga ity, nametraka fitoriana ny Decines, ekipa hilalaovan’izy mirahalahy. Mitaky ny hampiasaina ireo “camera” eo amin’ ny tobim-piantsonana ny tomponandraikitry ny klioba hahitana izay nahavanona ny loza. Ankoatra izay, efa manome tanana amin’ny fikarakarana ny taratasy rehetra ireo Malagasy mipetraka any France ary manao izay azo atao amin’ny hahitana ireo mpangalatra.
Etsy ankilany, manameloka ihany koa izao zava-mihatra amin’i Zigle sy i Sedrick izao ny federation sport boule malagasy (FSBM) sy ireo Malagasy mpilalao rehetra. Raha ny angom-baovao, tsy ho afaka hiatrika ny “National de Tour”, hotanterahina anio sabotsy sy rahampitso alahady izany, izy roa lahy. Marihina fa haharitra telo taona ny fifanarahan’ireto mpilalao ireto, amin’ ny hilalaovany ao Decines. Raha ny fandaharam-potoanan’ny klioba, horaisina amin’ ny fomba ofisialy ary aseho ireo mpomba ny Decines, izy mirahalahy amin’ity sabotsy ity.
Tompondaka




