INDRAY MIJERY

Mampiakatra hery fiarovana hisorohana ny aretina samihafa ny fihinanana voankazo karazany maromaro isan’andro. Tena lafo anefa ny vidin’ny voankazo amin’izao fotoana izao eny an-tsena. 5 000 Ar ny paiso sy ny poara iray kilao, 4 000 Ar ny letisia, 5 000 Ar ny pastèque iray. Toy izany koa ny melon iray, araka­raka ny habeny. Ny akondro 3 000 Ar ny kilao, 2500 Ar ho an’ ireo karazany madinidinika.

Manolotra vatsim-pianarana roa ny fanjakana japoney, MEXT 2026, ho an’ny mpianatra ny teny sy ny kolontsaina japoney ary ny mpampianatra eny amin’ny ambaratonga fototra sy ny faharoa fototra. Ny 13 febroary ho avy izao ny fara fandraisana ny antontan-taratasy eny amin’ny masoivoho ho an’ireo liana. Ho fantatra ny 20 febroary kosa ny anaran’ireo nisitraka ny vatsim-pianarana.

Taorian’ny fivoriana anatiny nataon’ny BNGRC sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ho fanatanterahana ny lamina voafaritra ao anatin’ny drafitra fiomanana amin’ny ady amin’ny valanaretina Mpox, notanterahina ny fivoriana fandrindrana iraisan-tsehatrasa niarahana tamin’ireo sampandraharaha mpitarika ny vondrona sehatra sy ireo sampandraharaha fototra. Tanjona ny hanamafisana ireo asa efa tanterahin’ny minisitera ao anatin’ny ady amin’ny valanaretina. Ankoatra ny fifampizarana vaovao, ilaina ny fandrafe­tana mazava ireo fanohanana avy amin’ny sehatrasa maro isan-karazany tena ilaina amin’ny fahombiazan’ny ady iombonana voafaritra.

Partager sur: