MPC: Hatao ny 23 janoary izao ny fifidianana

Tapitra tanteraka ny fe-potoana hitantanan’ny filohan’ny “Madagascar Paralympic Committee” (mpc). Efa fantatra ny daty hanatanterahana ny fifidianana, izay hitantana ho an’ny efa-taona manaraka. Hotanterahina ny 23 janoary, eny amin’ ny M Hotel Ampefiloha izany, araka ny fandaharam-potoana. Ligy 13 amin’ireo 15 misy no manana ny fahazoan-dalana hifidy hatreto ary efa an-dalana mikarakara izany fahazoan-dalana izany kosa ireo ligy 2 hafa, dia ny ligin’i Menabe sy i Atsinanana izany, raha ny fanazavana. Hatreto, kandida to­kana no mbola nanatitra antonta-taratasy filantsahan-kofi­diana dia tsy iza fa, Rajaofetrison Dimbiniaina, raha toa ka mbola baraingo kosa ny filatsahan’ny filoha teo aloha, Mahasolo Tsivoa Morel.
Asa maro no miandry izay filoha vaovao hitantana ny “Madagascar Paralympic Committee”, fa goavana indrindra ny fanomanana ireo atleta hiatrika ny “Jeux Paralympiques 2028” sy ny fikarakarakana ny taratasy hahazoana ny fankatoavana avy amin’ny federasionina iraisam-pirenena.
Mbola misokatra ny fisoratana anarana sy fanaterana an­tonta-taratasy ho an’izay maniry hirotsaka hofidiana ary alefa amin’ny adiresy mailaka mpc.madagascar@gmail.com izany, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Sekretera Jeneraly.

Mi.Raz

Partager sur: