SOMBIM-BAOVAO

Tsy raikitra rahampitso, ny lalaon’ny As Fana­lamanga sy ny Ajesaia, izay tokony hatao any Amba­tondrazaka. Fifanandrinana izay tafiditra amin’ny andro voalohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasi­kara, PFL. Lalao telo, araka izany, no handeha amin’ity faran’ny herinandro ity. Hanafika ny TGBC Atsinanana atsy Toamasina, ny Cosfa Miaramila, tompondaka lefitrin’ny PFL farany teo.

Hotanterahina, rahampitso, any Arabie Sao­dita, ny lalao famaranan’ny Super Coupe d’Espagne. Fihaonana izay hifanandrinan’ny FC Barcelone sy ny Real Madrid. Lalao « Classico » tena be mpanaraka izy ity, ary mbola manala vela amin’ny Real izao ny Barça satria raha ny fifanandrinana farany, resin’ny Real Madrid, 2 no ho 1, ny FC Barcelone.

Hotontosaina anio ilay fifaninanana isan-klioba, taranja Boxe Anglaise sy Kick boxing, karakarain’ny Phoenix Kross Fight any Antsirabe. Efa tonga any an-toerana ireo vahiny avy any La Réunion. Tsia­hivina, fa niova tamin’ny ora farany ny fifaninanana raha toa ka “Gala des Champions” no saika hatao, noho ny fisian’ilay valanaretina Mpox ka nofoanana ireo taranja sasany noho tsy fahafahan’ireo vahiny sasany nasaina.

Partager sur: