Tanterahina ny 6 ka hatramin’ny 11 janoary izao ny fitsirihana ifotony ny toerana hametrahana ireo fitaovam-pandrefesana ny toetry ny ranomasina sy ny toetry ny habaka. Voakasik’izany ny seranan-tsambon’i Mahajanga, Toliara ary Mananjary.
Sambany izao vao hanana izany fahafahana mahazo ny antontan-kevitra mahakasika ny toetry ny ranomasina izany ny foibe famantarana ny toetry ny andro.
Tanjona ny hanatsarana ny fanairana mialoha sy ny tan-tsoroka amin’ny asa aman-draharaha eny anivon’ny seranan-tsambo, ny mpanjono madinika, ny fifamoivoizana an-dranomasina ary ny mponina amin’ny morontsiraka.
Nanombohana izany fitsidihana izany ny tany Toamasina tamin’ny volana desambra lasa teo, niarahana tamin’ny ekipan’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro…
Hotohizana amin’ny herinandro manaraka kosa ny fitsirihana any Taolagnaro sy Antsiranana. Tanjona ny hanatsarana ny fandrefesana ny toetry ny ranomasina sy ny rafitra fanairana mialoha.
Tatiana A




