Ny tantara mihitsy no diso ? Avy any Azia atsimo Atsinanana, hono, ny Malagasy. Taranaka Jiosy, hono ny Malagasy. Avy atsy Afrika, hono ny Malagasy… Midika ve ireo fa tsy nisy olona na tompon-tany mihitsy ity Nosy lehibe ity ? Raha ny nambaran’ny manam-pahaizana sy mpikaroka maro : « Nisy tokoa ny fifindra-monina avy any ivelany niditra teto Madagasikara. Tsy midika akory izany fa tsy nisy olona mihitsy teto. Efa nisy olona talohan’ny fifindra-monina i Madagasikara. Ireny no tompon-tany ».
Ilay fiheveran-tena ho mpi-avy io no nahatonga ny Malagasy tsy hanam-pototra mazava amin’ny lafiny maro. Iray amin’ireny ny kolontsaina. Atao tery vay manta ny filazana fa « fomba nolovaina avy atsy na avy aroa, io arahin’ny Malagasy io ». Maneran-tany tsy misy manana ity fahendrena ity : « aza ny lohasaha mangina no jerena fa Zanahary an-tampon’ny loha ». Nolovaina avy aiza io ? Tahaka izany ihany koa ny « iray dinidinika, iray petsapetsa ». Iza tamin’ireo ambaran’ny tantara fa nifindra monina teto Madagasikara ireo no miaina azy io hatramin’izay ka hatramin’izao ?
Efa raiki-tampisaka amin’ ny Malagasy io fiheveran-tena ho mpiavy io, hany ka mora ho an’ny vahiny ny mandrobaka an’i Madagasikara. Tsy sarotra ho an’ny vahiny ny milaza fa « mpirahalahy na mpirahavavy na mpianadahy, sns, isika ».
HaRy Razafindrakoto




