CHUgob Befelatanana : Nahazo fitaovana ara-pahasalamana

Notolorana fitaovana ara-pahasalamana, hahafahana mandray an-tanana ny fitsaboana ny reny sy zaza ny eo ani­von’ny Centre Hospitalier Universitaire de Gynecologie-Obstetrique Befelatananana (Hopitaly Maternité Befelatanana), ny zoma lasa teo. Mba hanampiana ireo zaza marefo tsy maintsy mila fitaovana.

Nahitana “ventilateur d’anesthésie” iray, izay ma­nampy betsaka amin’ ny fameloman’aina ny zaza, mandritra ny fandidiana. “Incu­­bateurs” miisa telo mba hanamafisana ny fikarakarana ireo zaza marefo. Onduleurs (UP­S) miisa efatra, mba hianto­hana ny fiarovana ny fitaovana sy ny fitohizan’ny fampiasana azy. “Natokana ho an’ireo zaza teraka tsy tonga volana, zaza tsy ampy lanja ary ireo misy aretina ka tsy maintsy mila toerana hafa hahafahany mivelona ireo fitaovana ireo”, hoy ny Profesora Randri­am­bo­lolona Domoina Malala Au­rélis, talen’ny CHUgob Befela­tanana. Manoloana ny fitomboan’ny tranga misy fahasarotana, ny fahasarotam-piterahana ary ny fahasalaman’ny zaza teraka aloha loatra na am­bany lanja. Misy fiantraikany mivantana amin’ny fanatsa­rana ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana eo anivon’ny hopitaly ny fahazahoana ireo fitaovana ireo.

80 isam-bolana ny zaza mandalo Incubateurs
Manodidina 80 isam-bolana eo ny tahan’ny zaza mila mandalo ” incubateurs” eo anivon’ ny hopitaly Befelata­nana, raha ny tatitra voaray. Anisan’ny antony mahatonga izany ny tsy fisafoan’ny reny eo am-pitondrana vohoka. “Mila ezaka lehibe ny famelomana sy fanavotana ny ain’ireo zaza ireo ary. Anampy betsaka amin’ ny famelomana sy fitazomana ny ain’ireo zaza ireo ny fisian’ ireo fitaovana ireo”, hoy ihany izy.
Nisy ny fiaraha-miasa avy amin’ny Governemanta Japo­ney nahafahana nanolotra ireo fitaovana ireo. Tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asa “Aide sous forme de dons aux micro-projets locaux (APL)”.
Misehatra manokana amin’ ny fitsaboana ny ara-pananahana sy ny fikarakarana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza amin’ny ankapobeny, ny CHUgob. Mihoatra ny 6 000 isan-taona ireo renim-pianakaviana tonga miteraka eny an-toerana. Manodidina ny 3000 kosa ny fandidiana atao eo anivon’ny Hopitaly.

Mino

Partager sur: