DAKA AN-JORONY: Ny baolina tsy miandry marary

Fahiny, samy manana ny mampiavaka azy ireo mpijery ny taranja isanisany, mandritra ny fifaninanana. Ho an’ny bao­lina rugby, nisy ny hoe : 5 minitran’ny Stade sy ny may Am­bondrona. Misy dikany avokoa izany ho azy ireo. Iry voalo­hany ilazana fa afaka handresena ny minitra farany. Ny faharoa, hanambarana fahamaikana ka mikoropaka avokoa.
Raha teo amin’ny baolina kitra indray nalaza ny an’iza ny lamba miahy sy ny baolina tsy miandry marary. Rehefa misy lalao goavana teo Mahamasina, tamin’izany ka miady ny fihaonana. Ao anatin’izany, misy maratra eny ambony kianja. Akisaka fotsiny eny amin’ny sisin’ny kianja izay voa fa ny lalao mitohy ihany. Raha toa ka mitsirara eo ilay voadona,
indray mihoraka ny mpanohana ny andaniny hoe : An’iza ny lamba miahy, fanarabiana ny mpifanandrina ho marefo na toy ny efa resy. Ankehitriny, miova izany fa raha sendra misy marary atsahatrin’ny mpitsara aloha ny lalao ka tsaboina ny marary. Afaka misotro rano sy mandray ny toromarika avy amin’ny mpanazatra ny rehetra.
Mametsoventso ny lasa ireo mpilalao fahiny mahita izany ka milaza fa tamin’ny androny, tsy misy fotoana hisotroana rano izany ary ny baolina tsy miandry marary ka izany no naha mafy sy nampahatanjaka azy ireny ary naha ela velona azy ireo. Mivoatra araka ny vanim-potoana anefa ny zava-drehetra ka ankehitriny, tsy maintsy andrasan’ny baolina ny marary. Maro ireo marary amin’ny baolina. Tsy ny mpilalao eny ambony kianja fotsiny fa eo ny fitantanana, ny fitsaram-baolina. Marary saro-tsaboina toy ny homamiadana ka mandrava efa saingy ny baolina tsy miandry marary.

Tompondaka

Partager sur: