Notanterahina ny herinandro teo, tetsy amin’ny minisiteran’ny Asa sy ny fampanana asa ary ny asam-panjakana (METFop), 67ha, ny sonia fiaraha-miasa amin’ny hametrahana vovonanana niomerika nasionaly ho amin’ny fampanana asa «E-zahasa». Nambaran’ny minisitra, Florent Soatiana Bety Leonne, tamin’izany fa rindrambaiko (logiciel) natao hanamora ny fampihaonana ny tolotra sy ny tinady eo amin’ ny tontolon’ny asa ny «E-zahasa». «Hamaly ny filan’ny tanora tsy anasa sy ny fandraharana izy io. Hanampy amin’ny fahazoana ny angom-baovao rehetra momba ny tsenan’ny asa izany. Hitondran’ireo orinasa ny tolotrasa ao aminy koa», hoy izy. Nanteriny fa anisan’ny hisitraka ary hahazo tombony amin’ izany ireo tanora sy ireo tompona orinasa. Anisan’ny ho hita amin’izany ireo tsara ho fantatra rehetra momba ny fampananana asa. Ny fiofanana arakasa sy ireo torolalana ho an’ny tanora ho amin’ny lalan-kizorany eo amin’izany sehatra izany. Notsindrin’ny minisitra fa tafiditra amin’ny politika ankapoben’ ny fanjakana ny fametrahana ho laharam-pahamehana ny fampanana asa ho an’ny tanora. Tafiditra ao anatin’izany izao fiaraha-miasan’ny MTEfop izao sy ireo tanora eo anivon’ny orinasa «Object-If Sarl», nandrafitra ny rindrambaiko
«E-zahasa» izao. Hihodina tsy ho ela, afaka enim-bolana aorian’ny dingana rehetra ity tetikasa ity ka afaka hositrahin’ ny rehetra. Tsiahivina fa maherin’ny 70% ireo tsy anasa eto amintsika ka maro anisa amin’izany ireo no tanora. Anisan’ny vahaolana amin’izany izao fiaraha-miasan’ny tsy miankina sy ny fanjakana izao, araka ny nambaran’ny minisitra hatrany.
Tatiana




