Federasionin’ny handball : Lany ho filoha Ratsimandao Andriamanga

Manana filoha vaovao hitondra sy handrindra ny Federasiona Malagasin’ny taranja Handball, i Madagasikara. Voafidy tamin’izany, Ratsimandao Andriamanga Herilovasoa Andrianisainana.

Nahazo mpitantana vaovao ! Lany ho filoha hitantana ny Federa­sionina malagasin’ny handball, mandritra ny efa-taona manaraka, Ratsimandao An­dria­manga Herilovasoa An­drianisainana na fantatrin’ny maro amin’ny hoe i Manga. Vato enina tamin’ireo ligy 16 tonga nifidy no azon’ity mpitantana vaovao ity, raha toa ka nahazo vato dimy avy ry Razafindredohy Mananjara Jaona sy i Andoniaina Henin­tsoa Guillaume. Tsy nisy nifidy kosa Rasolofoson Herizo Thier­ry, sekretera jeneralin’ny federasionina teo aloha.

Anisan’ny tena hataon’ity lehiben’ny taranja handball ity vaindohan-draharaha, ny fa­namafisana ny fitsipi-pife­hezana, ary nahatsapa ny tenany fa lasa gaboraraka loatra ny taranja nandritra ny taona maro. Ho fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo ligy, hisy ny fanomezana tosika ara-bola « subvention », in­drindra rehefa miatrika ny fifaninanam-pirenena. Ankoatra izay, hisy koa ny famerenana ny taranja eny anivon’ireo sekoly. Nilaza ny hanangana ny trano natokana ho an’ity taranja ity ny federasionina, mba hahafahan’ny atleta sy ireo teknisianina mampiakatra ny lentany. Nomarihan’ity lehiben’ny FMH ity, fa tsy hampanantena ny zavatra tsy vitany izy.
Ampahafantarina ihany fa tonga nanatrika ity fifidianana ity, ny lehiben’ny ligin’i Iho­rombe, Atsimo Andrefana, Betsiboka, Analamanga, Ma­tsiatra Am­bony, Analanjirofo, Bongo­lava, Fitovinany, Sofia, Diana, Melaky, Itasy, Alaotra man­goro, Menabe, Boeny, Amo­ron’i Mania. Nisafidy ny tsy handatsa-bato ary tsy nandray anjara tamin’ny fifidia­nana kosa ny ligin’Atsinanana.

F. R

Partager sur: