INDRAY MIJERY

Nisitraka fotodrafitrasa vaovao momba ny rano fisotro madio ny oniversiten’Antananarivo, taorian’ ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo forage telo eny Ankatso I sy Ankatso II, ny faran’ny herinandro lasa teo. Tanjona ny hanamora ny fiainan’ny mpianatra sy hanamafy ny fahasalamana eo anivon’ny toeram-ponenany. Eny Ankatso II no napetraka ireo forage roa vaovao, raha forage iray nohavaozina kosa no ao Ankatso I. Ireo fotodrafitrasa ireo dia natao manokana ho an’ny rano fisotro madio, fanadiovana ary fidiovana.
Notanterahina ny herinandro lasa teo, tao Andrainjato Fianarantsoa, ny atrikasa momba ny fanavaozana ny fahazoan-dalana hisokatra (habilitation) sy ny fiomanana amin’ny fankatoavana (accréditation) ny tolotra fampianarana eo anivon’ny oniversiten’i Fiana­rantsoa.
Ity atrikasa ity dia tafiditra ao anatin’ny paikady entin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony. Tanjona amin’izao fidinana
ifotony izao ny fizarana sy fanazavana ny politikam-panjakana mahakasika ny fampianarana ambony, ary ny fanohanana mivantana ireo oniversite amin’ny fanatanterahana izany.

Partager sur: