Manana ireo fomba nahafahany nanabe ny taranany ny Malagasy. Iray amin’ireny ny fampitan-kafatra izay nampiasaina tamin’ny sehatra maro. Anisan’ireny ny kolontsaina sy ny zavakanto ary ny fomba amam-panao. Mitohy izany hatramin’izao..
Madagasikara, firenena tsy mba nahitana ny alfabeta na ny soratra raha tsy taty aorian’ny nidiran’ ny Arabo sy ny Eôpeanina. Tsy sakana tamin’ny fampitan-kafatra ho an’ny Malagasy izany, satria, nampiasa ny toho-tsofina izy. Nampitainy tamin’ny alalan’io avokoa ireo tokony hotohizana, hotandremana, sns, ao anivon’ny ankohonana sy ny fiarahamonina. Nahazo ny anjarany tamin’izany ny kolontsaina sy ny zavakanto ary ny fomba amam-panao. « Fady antsika ny… ». « Izao ny fombantsika… », « Aza manao izao… », « Tahaka izao ny fomba fitendrena valiha… »…
Mbola manjaka io ankehitriny. Tsy zatra mandrakitra an-tsoratra ny momba azy ny Malagasy. Vitsy dia vitsy ny ankohonana sy ny fianakaviana no manoratra ny tantarany. Toho-tsofina no ahafantaran’ ny taranaka aty aoriana ny fadin-drazany. Ny vanim-potoana diavina, anefa, mitaky soratra. Nozarina hamaky sy hanaporofo tranga amina soratra ny taranaka aty aoriana, hany ka maivan-danja ny toho-tsofina.
… Satria, tsy voasoratra na tsy voarakitra amina sorapeo ny hira sy ny tononkira. Samy manova sy mandroritra any amin’izay maha diavolana ny fony ny mpihira sy ny mpitendry zavamaneno. Satria, tsy voasoratra ao anaty boky ny antony tsy hinanan’ny faritra sasany henan’osy. Mihinana izay tratra ny taranaka aty aoriana.
Kamo manoratra ny Malagasy ? Ilay miankin-doha amin’ny soratra no anisan’ny nanariany ny lanjan’ny toho-tsofina. Ny fifampitokisana, tsy mety intsony fa « aleo asiana taratasy vita sonia any amin’ ny biraom-panjakana ». Ny hafatra am-bava milaza fa : « antsika ito tany ito ». Tsy manan-kery manoloana ny taratasy maneho fa « misoratra amin-dRakoto io tany io »…
Nanary « zavatra » maro teo amin’ny fiainan’ny Malagasy (ankohonana, fiarahamonina, firenena) ny nanamaivanana ny toho-tsofina. Na izany aza, io ihany koa no anisan’ny niteraka sy nampanjaka ny « tsaho sy ny lainga ».
HaRy Razafindrakoto
.




