Nidina ifotony teny amin’ ny Port Secondaire Ankiakabe, ny faran’ny herinandro teo, tamin’ny 5 ora maraina, ny Séction Opération ao anatin’ny COUSP Maroantsetra. Nitarika ny hetsika ny lefitry ny lehiben’ny distrikan’i Maroantsetra, Ranaivoarison Pierre Olsen sy ny médecin inspecteur Dr Lalahy Andriantsiory François. Natao fanaraha-maso ara-pahasalamana ireo mpandeha sy ekipazy avy any Toamasina sy distrika hafa vao niditra ao Maroantsetra. Sambo roa no voakasika: Melissa Express nitondra mpandeha 165 passagers ary manana mpiasa 10. Faharoa ny Maeva Express nahitana mpandeha 56 ary mpiasan-tsambo fito. Tsy nisy nahitana soritra aretina Mpox ireo mpandeha sy ireo mpiasan’ny sambo. Araka izany, tsy misy aloha hatramin’ny faran’ny herinandro ny tranga mampiahiahy sy ny tranga voamarina ao Maroantsetra. Mitohy hatrany ny fanentanana ny rehetra hanaraka ny fepetra sakana fiarovana: fanaovana arovava, fanasana tanana amin’ny rano sy savony ary fitandremana ara-pahasalamana sy fanatonana tobim-pahasalamana raha misy tranga mampiahiahy.
Mitohy hatrany koa ny ezaka hiarovana ny mponina amin’ny nendran-drajako (Mpox) any Sainte-Marie miaraka amin’ny fanentanana sy sakana ara-pahasalamana ho an’ny daholobe. Eo ny fizarana afisy eny amin’ny biraom-panjakana, sekoly ary toerana ho an’ny daholobe. Nohamafisina ny fanentanana ho an’ireo tatsambo sy tompon-tsambo toy izany koa ny talen-tsekoly. Napetraka ny fanaraha-maso eny amin’ny seranam-piaramanidina sy seranan-tsambo ho an’ny mpanamory, ekipazy ary mpandeha tonga eto amin’ ny Nosy.
Vonjy




