Volana aogositra tamin’ny taon-dasa. Fahombiazana no azon’i Poopy sy ny mpikarakara ny « Tena kanto » 1, raha refesina tamin’ny fahatongavan’ny mpijery maro be sy ny kalitaon’ny fampisehoana. Fantatra fa ho fanohizana izany sady ho fanomezana fahafaham-po ny mpitia zavakanto. Raikitra fa ny 1 marsa izao amin’ny 3 ora sy 1mn, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahatena sy kolontsaina Imahamasina no hanatanterahina ny « Tena kanto » andiany faharoa. Raha mpihira vehivavy no nanamarika ny « Tena kanto » 1. Fantatra fa mpihira lehilahy indray no omen’i Poopy sehatra amin’ity andiany faharoa ity.
Raha tsiahivina. Nizara telo ny fandaharam-potoana tamin’ ny andiany voalohany. Hira 40 mahery teo ho eo no nentina teny an-tsehatra. Anisan’ny niandrasan’ny mpijery fatratra ny fizaraha faharoa izay niakaran’ireo vahinin’i Poopy teny an-tsehatra. I Malala ‘Zay, nihira irery ny «Andro hafa», ny «Ny herinao» niaraka tamin’i Poopy. I Nanie, nanao ny «Toa anao» sy «Hafatra». Nafana ny nanaovan’i Stéphanie ny «Tolona», izay nangatahan’ny mpijery naverina. Toraka izany koa ny «Taniko», izay niarahan’i Poopy tamin’i Denise.
HaRy Razafindrakoto




