“All Africa Music Awards” : Misongadina any amin’ny iraisam-pirenena i Denise

Reharehan’ny Malagasy maneran-tany i Denise. Mbola mitohy ny fisongadinan’ity mpanakanto ity amin’ireo hetsika iraisam-pirenena rehetra handraisany anjara. Voafidy indray ho vehivavy mpanakanto mendrika indrindra aty Afrika Atsinanana izy.

Mitohy ny lalana ho an’i Denise! Ity Malagasy mpanakanto manana feo miavaka ity no nandrombaka ny laharana voalohany tao amin’ny sokajy vehivavy mpanakanto mendrika indrindra aty amin’ny faritra Afrika Atsinanana, nandritra ilay hetsika goavana “All Africa Music Awards” na ny Afrima. Tonto­sa ny alahady teo ny lanonana nanambarana tamin’ny fomba ofisialy ireo mpandresy isan-tsokajy, tany Lagos, Nigéria. Vehivavy afrikanina mpanakanto maro no nifaninanana tao, saingy nisongadina in­drindra tamin’izy ireo i Denise. Ilay hira “Matoky Zagnahary” no nentiny nifaninana sy nambaboany ny mpitsara tamin’ity fifaninanana ity. Hira mivoy ny fanantenana sy ny fahatokisana rahateo, ka toa nandrisika an’i Denise hanome ny kanto indrindra tany anatiny ary tonga amin’ny fandrombahana ny anaram-boninahitra izany. Fandresena efa nampoizin’ireo mpifaninana ihany, satria mahalala ny lalana no­diavin’i Denise sy ny fisongadinana eo amin’ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena avokoa izy ireo. Mazava loatra fa nanatrika ny fotoana ireo mpitrandraka ta­lenta, mpisehatra amin’ny tsenan’ny mozika any ivelany. Tamin’ity ihany koa no maro indrindra ny fandraisana anjara tamin’ny Afrima hatramin’izay nisiany, satria tafakatra 343 isa ireo mpanakanto nifaninanina tanatin’ny sokajy 40. Tsara toerana in­drindra, araka izany, ireo nandrombaka ny laharana voalohany isan-tsokajy, satria efa misy fototra hiaingana amin’ny serasera ho an’ny tohin’ny lalana.
Tsy voalohany no nisongadina eo amin’ny mozika iraisam-pirenena i Denise. Efa maro ny fifaninanan-kira nandraisany anjara, ary nametrahany ny anarany hatrany. Fa­rany teo, ohatra, ny nahazoan’i Denise sy D-Lain ny laharana faha-8 tamin’ny fifaninanana “Intervision 2025”, tany Moscou, Russie. Maha­kasika ny Afrima kosa, i Shyn izay vadin’i Denise ihany no efa nandrombaka ny loka voalohany tamina sokajy iray, ny taona 2017. Tsy tongatonga ho azy ireo fa vokatry ny asa sy ezaka tsikelikely, nampian’ny fitiavana be ary ny talenta miboiboika ao amin’ireto mpanakanto, mpivady, reharehan’i Madagasikara ireto.

Zo ny Aina

Partager sur: