Baolina kitra : Niorina ny USJF Ravinala vétérans

Hiverina eny an-kianja indray ny klioba USJF Ravinala, taranja baolina kitra. Tsy hifaninana hiady ny ho tompondakan’i Madagasikara intsony fa ireo mpilalao fahiny no hitaiza vatana ka nanangana ny sokajy zokiny “vétérans”. Ankoatra izay, hisehatra amin’ny lafiny sosialy izy ireo, hanampy ny mpiara-belona.

Anisan’ny klioba nanamarika ny tantaran’ny baolina kitra teto Mada­gasikara ny USJF Ravinala, ekipa nitondra avo ny lazan’i Madagasikara teo amin’ny sehatra afrikanina, tamin’izany fotoana izany. Efa tompondakam-pirenena (2004-2005), ary resy teo amin’ny fihodinana faharoa nandritra ny “Ligue des champions d’Afrique”. Tompondaka lefitra indray ny (2005-2006), nihintsana teo amin’ny fihodinana fahatelo, tamin’ny “Coupe de la Caf”. Taorian’io, rava ity ekipa teto amin’ny ligin’Analamanga ity.
Maro ireo mpilalao tao amin’ny USJF Ravinala no efa nandrafitra ny Barean’i Ma­dagasikara, raha tsy hilaza afa-tsy Itompokolahy Claude kely, Noret (Goal be), Anatole filohan’ny ligin’i Diana amin’izao fotoana, Bota, Branly, Yvon, Bonbon, Olivier (Ba­kay), Njaka, Alphonse ary i Rata.
Ny faran’ny taona 2025 teo, nanapa-kevitra ireo mpilalao fahiny nandrafitra izany klioba izany fa hiverina kianja ka nanangana ny USJF Ra­vinala sokajy zokiny (vétérans). Betsaka ireo namaly ny antso. Nambaran’i Noret fa “tsy hifaninana hiady ny ho tompondaka intsony izahay fa ho fitaizam-batana sy hanamafisana indray ny fifankatiavana teo aminay. Hisehatra amin’ny lafiny sosialy ihany koa”. Araka izany, manomana “Match de Gala” izy ireo, hifanandrinana amin’ireo mpilalao fahiny tao amin’ny Usca Foot, AS Adema sy Fortior sy ireo ekipa nanana ny lazany fahiny. Hanampiana ireo mpiara-belona traboina ny vola azo amin’izany. Ankoatra izay, eo am-pamolavolana ny “hommage”, fahatsiarovana ireo mpilalao sy mpanorina ny ekipa efa nodimandry, toa an’i Gariste Dameogenie sy Claude Kely ary i Fidelis, ny USJF Ravinala veterans amin’ izao. Betsaka amin’ireo mpilalao ireo no mpanazatra any anaty klioba amin’izao fo­toana.

Tompondaka

Partager sur: