Noho ny fiakaran’ny reniranon’i Mandrare, Amboasary Atsimo (faritra Anosy), vokatry ny habetsahan’ny rotsakorana, ny herinandro lasa teo, aman-jatony ireo mponina manodidina traboina. Nanamafy fiombonana tamin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny any an-toerana nijery ifotony ny zava-misy ny ekipan’ny fahasalamana, notarihin’ny Médecin inspecteur ao Amboasary Atsimo, ny faran’ny herinandro teo.
Nanolotra lay misy odimoka 300 izy ireo, nanentanana momba ny ady atao amin’ny nendran-drajako. Teo koa ny fanentanana amin’ny ady amin’ny loto sy areti-mifindra. Nisy ny fitiliana tsy fanjarian-tsakafo sy fizarana ody kankana sy vitamine A ho an’ny zaza 6-59 volana. Natao vaksiny ireo zaza latsaky ny 2 taona. Nanampy ireo ny fanentanana momba ny ady amin’ny herisetra.
Tao amin’ny fokontany Bevala DP I sy II no nahitana traboina maro indrindra, raha ny fampitam-baovao’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Tokantrano 418 no voakasika ka olona 1 583 no traboina, zaza sy vehivavy ny maro anisa amin’izany.
Vonjy




