INDRAY MIJERY

Manatanteraka asa sosialy, izay imasoan’izy ireo amin’ity taona 2026 ity, ny FJKM. Samy manana ny toerana hanatanterahany izany ny Synodam-paritany rehetra. Fizarana sakafo mafana, fizaham-pahasalamana, fitiliana diabeta sy tosidra, ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, fizahana maso… no hatao
amin’izany.

Mety hisy ny fikorontanana any ambony tsy taka-maso amin’ny habaka ho an’ny tapany Atsimo Atsinanan’i Madagasikara ka mety hiteraka orana tandrifin-drahona arahin-kotroka. Hamaritra ny toetry ny andro manerana ny Nosy izany, ao anatin’ny 3 andro hoavy, hitondra orana tandrifin-drahona.

Any Atsimo Atsinanana, tanterahina amin’ireo kristianina eny anivon’ny fiangonana ny fanentanana ny fisorohana ny aretina Mpox. Ny fitondram-panjakana eny ifotony mihitsy no omen’ny fiangonana sehatra amin’ny fanentanana ho fandresen-dahatra ireo mpino kristianina amin’ny fiarovan-tena sy ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana.

Partager sur: