“Antson’ny tontolo miaina” ; Fampirantiana ny fitiavana ny hazo

“Dendrophile”, entina hilazana ireo olona mpankafy ny hazo sy ny tontolony. Lohahe­vitra iompanan’ny fampiran­tiana “Antson’ny tontolo miaina” amin’ity andiany fahatelo ity ihany koa izany. Nisy ny fampahafantarana ny hetsika, notontosaina omaly, tetsy amin’ny Zone Vital Ankoron­drano, toerana handray ny fampirantiana fototra, manomboka ny 17 janoary hatramin’ ny 6 febroary izao. Nialoha izay, efa nahitana sombiny teny amin’ny seranam-piaraminidina iraisam-pirenena Ivato. Mbola mitohy ity farany hatramin’ny faran’ny volana febroary. Na­nomboka ny ala­tsinainy teo kosa ny fampirantiana voalohany etsy amin’ny Flow Galery Ivandry.
“Mampiasa ny hainay, mampita hafatra amin’ny alalan’ny zavakanto izahay. Mi­zara ny fitiavana ny hazo koa. Mpanakanto 10 no handika izay fitiavana izay amin’ny alalan’ireo seha-kanto marolafy araka ny fironany avy”, hoy ny mpikarakara ny hetsika. Ahitana mpanoratra toa an’i Johary Ravaloson, Jessica Salomon, nanangana ny “Faka Rugs”, Miangaly Elia, Kiady Ratovoson, Iandry Ran­driamandroso, Joan Raza­fimaharo, Noely Ratsimiebo, Rado Ramilison ary Sham’­ Archi ireo handray anjara
amin’izany.
“Ahoana no ahafahan’ny fitiavana hazo manampy an­tsika hikarakara ny tanintsika, izay efa mena sy mijaly ary hanantena indray tontolo mai­tso kokoa ho an’ny hoavy?” Hamaly io fanontaniana io ny fampirantiana.

Zo ny Aina

Partager sur: