Manasa-dalan’ny Can : Hanokatra azy ny lalaon’i Egypte sy i Sénégal

Ho fantatra, anio, ny ekipa nasionaly roa hiatrika ny lalao famaranan’ny “Can 2025”, izay tanterahina any Maroc. Hiditra an-tsehatra voalohany i Sénégal sy i Egypte. Manaraka azy ireo avy eo i Maroc sy i Nigeria.

Hafana ny lalao anio! Hotanterahina any Ma­roc ny manasa-dalan’ ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, “Can 2025”. Hanokatra izany ny fifanandrinan’ny Les Pharaons Egypte sy ny Lion de la Teranga Sénégal. Lalao hatao ao amin’ny Kianja Grand stade de Tanger. Tsi­ahivina fa efa tany amin’ny taona 2022 no nifandona farany ny ekipa nasionalin’i Egy­pte sy ny liona senegaley. Ry zareo Sene­galey no nandresy tamin’ny isa 1 no ho 0, tamin’izany fo­toana izany. Tsara ny mampahatsiahy fa ireto ekipa roa ireto izay efa niady ny famaranan’ny “Can” ny taona 2022. Ny liona hatrany no nibata ny amboara, rehefa lavo tany amin’ny fandakana “tirs au but” ny egyptianina.

Hanala vela
Fotoana iray hahafahan-dry Salah, kapitenin’ny Pha­raons, hanala vela, araka izany, ny anio, ka azo lazaina fa hiady ny fihaonan’ny roa tonta. Etsy ankilany, ry Sadio Mané sy Nicolas Jackson, kintan’ny baolina kitra senegaley kosa hikendry ny handrom­baka indray ny amboara re­hefa nalaina teo am-pelantanany izany, ny taona 2024. Ampa­hafantarina fa ny mpilalao egyptianina no nanintsana an’i Côte d’Ivoire, tompondaka farany, tamin’ny isa 3 no ho 2, teo amin’ny dingan’ny ampahefa-dalana. Tafavoaka teo anatrehan’i Mali, 1 no ho 0, kosa ny senegaley.
Ankoatra izay, hiakatra kianja, anio, koa ny ekipa mpampiantrano, Lion de l’Atlas Maroc. Hifandona amin’ny Super Eagles Nigeria ry zareo amin’izany. Sambany eo amin’ ny tantara, hifandona amin’i Maroc anatin’ny Can, i Ni­geria. Ny alahady 18 janoary ho avy izao no hanaovana ny lalao famaranana.

Fitia Randria

Partager sur: