Hampientanentana ny fitiavam-baolina ny Orange Madagascar. Tafiditra anatin’izany ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2025), mivantana sy amin’ny endrika niomerika.
Nanome alalana ireo mpanohana an-tapitrisa hanaraka ireo fifaninanana afrikanina lehibe indrindra manerana ny kaontinanta izy ireo. Nametraka fanavaozana toy ny Max It Digital Fan Zone, hahafahan’ireo mpankafy manaraka ny fifaninanana amin’ny fotoana tena izy.
Hanolotra fahafahana mijery ny lalao sy ny dinidinika, ny fintin-dalao, ny resaka amin’ ny mpilalao, ny tolotra homeny. Eo koa ny « Max Goal » sy ny teknolojia izay ahafahana mamaly ny fanontanian’ireo mpankafy mahakasika ny fandaharan-dalao sy ny valiny ary ny filaharana, mba hananana traikefa bebe kokoa. Ankoatra ny Fan Zone niomerika amin’ny alalan’ny fampiharana ny Max It, misy efatra koa ireo toerana eto Antananarivo hijerena ny lalao manasa-dalana, ny fiadian-toerana ary ny famaranana. Ahitana ny Le Nil Androhibe, Irish Pub Ambatonakanga, Grand Café de la Gare Analakely ary ny Presto Garden-Tanà Water Front. Manamafy ny anjara asany amin’ny maha mpilalao fototra amin’ny fampivoarana ny fanatanjahantena eto amin’ ny kaontinanta azy ny Orange. Manao fampiasam-bola maharitra amin’ny fampandrosoana ny baolina kitra sy ny fampiroboroboana ao anatin’ ny fahasamihafana izy ireo. Fanoitra amin’ny fampifandraisana olona an-tapitrisa ka mampifanakaiky ny kolontsaina sy ny tanora afrikanina ny fisian’izao hetsika izao.
Tompondaka




