Hisy efatra ny “Star Tour” amin’ity taona 2026 ity. Io no anisan’ny vaovao lehibe nampitain’ny tomponandraikitry ny hetsika, nandritra ny fihaonana sady fifampiarahabana noho ny taona vaovao, omaly, niaraka tamin’ ny mpanao gazety. Antsirabe toy ny mahazatra no manokatra azy, amin’ny Paka. Manaraka avy eo Antananarivo, ny volana jona. I Mahajanga mandritra ny fialantsasatra lehibe, ary farany any Toamasina, mandritra ny “Oktoberfest”. Ity farany no tsy raikitra tamin’ny taon-dasa noho ny savorovoro nisy teto amin’ny firenena.
Hisy ny fivorian’ireo mpikambana mandrafitra ny kaomisionina eo anivon’ny “Madagascar Film Festival – ISSM Awards”, rahampitso, etsy amin’ny biraon’ny ISSM Analakely. Hametrapetraka ny fikarakarana ny andiany faharoa amin’ity hetsika goavana ho an’ny sarimihetsika malagasy ity izy ireo. Nisy ireo nangataka ny hanatevin-daharana ny kaomisionina, izay raisina ihany koa mandritra izany. Tsiahivina fa hijery sy hamaritra ny isan’ny sokajy sy ireo sarimihetsika hofidina isan-tsokajy ny tena asan’ny kaomisionina.
“Kanto ny Gasy”. Seho hanana endrika “cabaret”, hotanterahina eny amin’ ny Espace Ravinala Amboanjobe, ny alahady 25 janoary izao, manomboka amin’ny 11 ora atoandro. Tafiditra ao anatin’izany ny: “ny hirantsika omaly… Hira misy fanahy, hira misy hafatra, hira kanto”. Ireo andrarezin’ny hiran’ny omaly sy ny kalon’ny fahiny no hiaka-tsehatra amin’io. Anisan’ireny i Sophie sy Michel Randrianarisoa, tarika Ry Andriampaniry, Jeremie, Voahangy, Narijaona.
Manomboka lavin’ny sofin’ny vahiny ny mozika “USB”. Niara-nientana ireo mptsabo amin’ny alalan’ny mozika any Eorôpa
fa “vao mainka miteraka fanaintainana ho
an’ireo tsy salama ny mihaino mozika USB”. Zara raha misy mpihira sy mpitendry zavamaneno iray na roa eny an-tsehatra fa ny ambiny, efa atsofoka ao anaty “USB”. Ny feo avoakany, tsy voajanahary intsony… “Aty amin’ ny firenena lazaina fa mandroso no tena ahitana tranga maro amin’ny tsy fahasalaman’ny saina. Raha voavonjy tamin’ny feo voajanahary izy ireny tsy ho tonga tamin’izany”, hoy ry zareo.




