Valanaretina Mpox : Miroso amin’ny fanafarana vaksiny ny fanjakana

Efa maro ireo miandry vaksiny miaro amin’ny aretina Mpox. Fantatra izao fa efa an-dalam-panafarana izany ny fanjakana.

Fantatra nandritra ny tatitra nataon’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka tao amin’ny TVM fa efa miroso amin’ny fanafarana ny vaksiny miaro amin’ny valanaretina Mpox ny fanjakana amin’izao fotoana. Hatao laharam-pahamehana hisitraka izany ireo sokajin’olona marefo. Izy ireo izay tena hatahorana amin’ny aretina.
Anisan’izany ireo zokio­lona sy olona manana areti-mitaiza. Eo koa ny mpiasan’ny fahasalamana noho izy ireo mifanerasera akaiky amin’ny marary.
Efa maro ireo sitrana ary tsy mbola nisy ny aina nafoy, araka ny tatitra nataon’ny minisitra hatrany.
Efa am-perinasa avokoa ireo toerana manokana hahafahana mampihiboka ny ma­rary sy mikarakara azy ireo eny amin’ny hopitaly. Ampy ny fanafody ary efa nomena fiofanana manaraka ny vanim-potoana ireo mpiasan’ny fahasalamana mandray an-tanana izany.
Tetsy andaniny, nampahafantatra ireo asa miandry ny minisitera ihany koa ny minisitra. Vaindohan-draharaha ny hamerina ny fifampitokisan’ny vahoaka amin’ireo mpiasan’ ny fahasalamana. Imasoana,
no­ho izany, ny fanatsarana ny fandraisana marary, ny firosoana amin’ny fanomezana tolotra ara-pahasalamana ara-drariny sy tsy manavaka.
Aparitaka manerana ny faritra ireo dokotera manam-pahaizana manokana hampihenana ny fivezivezen’ny ma­rary.
Tao anatin’ny roa volana niasana, nimatimatesana ta­min’ny tolona ny ady amin’ny kolikoly sy ny fampiharana ny mangarahara sy ny tamberin’ andraikitra ka tafiditra ao anatin’ny laharam-pahamehan’ny minisiteran’ny Fahasa­lamam-bahoaka ireo.
Miverina tsikelikely ny fi­fampitokisana eo amin’ny mpiara-miasa sy ny minisitera satria nosokafana ny sehatra fifampidinihana ary omena alalana haneho hevitra ny mpiasa.

Tatiana A

Partager sur: