Baolina kitra – PFL: Manambana hikomy ny mpitsara ao Mahajanga

Hotanterahina ny faran’ny herinandro ho avy izao ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasi­kara, taranja baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”. Mandeha ny resaka any amin’ny faritr’i Boeny fa misy andiana mpitsara hikasa ny hikomy indray any an-toerana. Nilaza ny eo anivon’ny CFEM fa efa nampitandrina an’izay mpitsara mikasa hanakorontana ny lalao handeha amin’io fotoana io izy ireo. “Handeha tsara avokoa ny lalao any amin’ny faritra rehetra, ary nanaiky ny hitsara ny fihaonana izay hotontosaina amin’io faran’ny herinandro io, any Mahajanga, ny mpitsara izay notendrenay. Raha sanatria misy ny tsy fanatanterahana izany any an-toerana, hafindra aty Antananarivo avokoa ny fifanandrinana”, hoy ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny CFEM.
Etsy ankilany, ny mpampita vaovao avy ao amin’ny li­gin’i Boeny nilaza fa tsy mbola nahazo vaovao ofisialy mahakasika io fikomiana hataon’ny mpitsara io, saingy efa nahare ny vaovao momba izany. “Tsy mbola nahazo vaovao tena ofisialy avy amin’izy ireo izahay. Saingy, misy amin’izy ireo no hikasa ny tsy hitsara ny fihaonana izay handeha aty an-toerana, raha ny fantatray. Raha sanatria misy izany, anjaran’ny CCA sy ny CFEM ny manendry izay hanolo azy ireo”, fanazavana azo tamin’ny tomponandraikitra iray ao amin’ny ligin’i Boeny. Ampahafantarina fa lalao roa no handeha any Mahajanga, ny faran’ny herinandro ho avy io. Ny sabotsy, hifandona amin’ny Tsaraman­droso Formation ny Clinique Zanatany. Ny alahady ho avy io kosa, hifanandrina amin’ny Fosa Juniors FC ny FC Rouge.

F.R

Partager sur: