Fahasalamana : Nankatoavina ny PSN BSC/ SDSR-SMNIA-N

Nankatoavina tamin’ity herinandro ity ny paikady nasionalin’i Mada­gasikara mahakasika ny fiovam-pihetsiky ny fiarahamonina amin’ny fahasalamana sy zo ara-pananahana, fahasalaman’ny reny, ny zaza vao teraka, ny ankizy, ny zatovo sy ny tanora ary ny fanjarian-tsakafo ho an’ny taona 2026-2030 na PSN SBC/SDSR – SMNIA-N.
Fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-baho­aka tamin’ny sehatra marolafy (minisitera samihafa, mpiara-miombon’antoka, fiarahamonim-pirenena, fikambanan’ny femmes handicapées) izay tohanan’ny Unicef izy ity.
Mikendry ny hampiroborobo maharitra ny fitondran-tena manohana ny fahasalamana sy zo ara-pananahana hatramin’ny taona 2030 ny paikady. Heverina ho voakasik’izany ny 90% ireo mponina kendrena ka handray anjara sy ho tompon’andraikitra amin’ny fampihenana ny aretina sy ny fahafatesan’ny reny sy ny zaza.
Mifototra amin’ny andry stra­tejika dimy lehibe ny paikady. Anisan’izany ny fanamafisa­na ny fitantanana, ny fanatsarana ny fahaiza-manaon’ny mpan­dray anjara ary ny fampiroboroboana ny karazana hetsika sy tolotra ara-pahasalamana.
Nandritra ny atrikasam-pirenena no nahafahana nankato ny paikady vaovao. Niarahana tamin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny mpanohana teknika sy ara-bola, toy ny Unicef sy ny fandaharanasa Wish 2, tamin’ny alalan’ny John Hopkins CCP, izany.

Tatiana A

Partager sur: