Federasionina malagasin’ny handball : Takin’ny filohan’ny ligin’ Atsinanana ny trosa teo aloha

Manaiky ny fifidianana saingy mitsipaka ny tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fivoriamben’ny Federasionina malaga­sin’ny handball (FMHB), ny filoha mpitantana ny ligin’Atsinanana, Razanadrakoto Harinaivo. Mangata-panazavana ny amin’ny trosa teo aloha izy.

Ny sabotsy lasa teo, namory mpanao gazety teo amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahama­sina, Razanadrakoto Harinai­vo, filohan’ny ligin’Atsinanana amin’ny taranja handball. Nilaza ny tsy fietezana nandritra ny fivoriamben’ny Fede­rasionina malagasy (FMHB) ny tenany. Anisan’izany ny tsy nanazavana ny resa-bola sy ny trosa napetraky ny mpitantana ny federasionina teo aloha kanefa avela ho baben’ny federasionina vaovao izany. Ny filohan’ny federasionina teo aloha rahateo tsy nanatrika. Nambarany fa tsy nahazo valiny tamin’ny solontenan’ny Komity olympika malagasy (Kom) sy ny minisiteran’ny Fanatanjahantena ny tenany raha nanontany ny maha ara-dalàna ny federasionina tsy nanao fivoriambe nandritra ny taom-piasany na tsia. “Nangataka aho mba hifampiresaka aloha izahay filohan’ny ligy rehetra, saingy 5 mn monja no nomena anay. Olana nandritra ny 4 taona ve ho voavaha ao anatin’ny 5 mn”, hoy izy. Nambarany fa nijanona ho mpanatrika fotsiny ny tenany fa tsy nandray anjara tamin’ny fanapahana sy ny fandatsaham-bato noho ny hamaroan’ny tsy fanarahan-dalàna.

Tsy misy fanapahan-kevitra matotra
Nokianiny mafy koa ny fe-potoana niantsoana ny filo­han’ny ligy natao maimaika, satria 11 andro monja. Aminy, tsy tokony ho natao ankamehana ny fivoriambe fa nakana fotoana malalaka. Etsy ankilany, tsy nisy valiny ny fitarainana napetrany tany amin’ny minisitera. Nolazainy fa tsy mandeha io taranja io raha tsy misy fanapahan-kevitra matotra hakana fotoana hiresahana amin’ny rehetra, iarahana amin’ny minisitera mpiahy.
Na teo aza izany, tontosa ny alatsinainy lasa teo, teny amin’ny ANS Ampefiloha, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny tale teknika nasionaly teo aloha, Ramiandrisoa Seth sy ny vaovao, i Sylvestre Tsiahoua.

Tompondaka

Partager sur: