INDRAY MIJERY

Taorian’ny fihaonana nisy teo amin’ny Lehiben’ny faritra Vakinankaratra sy ny mpitantana ny Oniversite, niroso tamin’ny fanamboaran-dalana miditra ny oniversite ny mpitantana. Milina vaventy telo: compacteur, niveleuse ary camion benne, no miasa eny Tsaratanàna manao ny asa. Misedra olana ireo mpianatra sy mpampianatra ary mpandraharaha eny Tsaratanàna amin’izao vanim-potoana fahavaratra izao, indrindra fa nandritra ny firotsahan’ny orana lavareny ireny.

Nihaona tamin’ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny ekipan’ny Jica. Nisy ny fanadihadiana notanterahin’ity farany teny anivon’ireo ivontoeram-panofanana eo ambany fiahian’ny minisitera ka nanolotra amin’ny fomba ofisialy ny vokatry ny angon-kevitra izy ireo. Tanjon’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ny fampivoarana ny lafiny maha olona eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany.

Niverina nidina nanadio teny amin’ny toeram-ponenan’ny mpianatra eny Ambondrona indray ny filohan’ny Oniversiten’i Mahajanga, Pr Randrianambinina Blanchard. Niara-dia taminy, tamin’izany, ireo mpiara-miasa aminy sy mpikambana ao amin’ny kabinetra, ny talen’ny ILC-SS, mpampianatra, mpandraharaha ary ireo mpianatra, ny faran’ny herinandro teo.

Partager sur: