Oniversiten’Antananarivo : Mpianatra 48 tsy afaka hianatra an-taona maro

Nandritra ny Conseil de discipline (Codis) nataon’ny Oni­versiten’Antananarivo, nandraisana fanapahan-kevitra ny hamaizana ireo mpianatra tratra nangala-tahaka sy nanao hosoka ary nisandoka ho mpianatra hafa nandritra ny fanadinana. Voafaritry ny lalàna laharana 28457/2025 tamin’ny 11 septambra 2015 izany.
Fantatra, tamin’izany, fa 54 ireo mpianatra voakasiky ny fa­maizana ary hampiharana avy hatrany ny sazy. Mitontaly 48 ireo mpianatra tsy afaka mianatra intsony mandritra ny 3 ka hatramin’ny 5 taona. Tsy ma­ha­zo alalana hisoratra anarana amin’ny fanadinam-panjakana amin’ireo sekolim-panjakana sy ny fampianarana ambony ihany koa izy ireo ao anatin’izay taona hamaizana azy izay.
27 amin’ireo voasazy tratra tamin’ny hala-tahaka sy fampiasana fitaovana voarara ary fisandohana nandritra ny fiatrehana ny fanadianana bakalorea farany teo. 25 mpianatra taona fahatelo haka ny diplaoma Licence. Ny 2 hafa haka ny diplaoma Maîtrise.
Tsy mitsitsy amin’ireo tsy rariny sy fisandohana ny fanjakana ary ny teny amin’ny sehatry ny fampianarana ambony indrindra no efa nanao ny ezaka amin’ny fanadiovana sy ny fanasaziana ireo fanetriben’ny firenena.

Tatiana A

Partager sur: