Tontosa teny Andafiavaratra, omaly, ny fanaovan-tsonia ny fangatahana ofisialy, fampidirana ny Misiona Katolika Ambodifotatra Sainte Marie, ho harem-bakoka iraisan’izao tontolo izao. Amin’ny maha fiangonana kristianina voalohany teto Madagasikara azy no angatahana izany eo anivon’ny Unesco. Vavolombelon’ny tantaran’i Madagasikara amin’ny maha harem-bakoka azy rahateo ity fiangonana ao Sainte Marie ity.
Nomarihin’ny mpiray Faribolana Sandratra, omaly, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny faha-80 taonan’i Jean Nalisoa Ravalitera. Anisan’ireo nanangana ny faribolana, no nitarika sy fitaratra ho an’ireo poeta sy mpanoratra maro izy, ankoatra ny maha mpampianatra azy. Velakevitra roa, manodidina an’ity andrarezin’ny literatiora sy ny teny malagasy ity no nenti-nanamarika ny tsingerin-taonany.
Hiaka-dapa i Samoëla. Rehefa nampiasa saina ny mpanaraka azy ireo nandritra ny fotoana ela, navoakan’ny SR Event amin’izay ny anaran’ny mpanakanto hampiakarin’izy ireo ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina: Samoëla ny 3 mey ho avy izao. Toerana tsy mahazatra azy, na dia 30 taona niakarana an-tsehatra aza ity mpanakanto ity. Mazava loatra fa seho goavana indrindra andrasan’ny mpankafy amin’ity taona ity koa izany.




