Atletisma Analamanga: Lany ho filohan’ny ligy Razafimandimby Roger

Notanterahina ny alarobia lasa teo, tetsy amin’ny foibe toeran’ny federasionina mala­gasin’ ny atletisma Alarobia, ny fifidianana izay ho filohan’ ny ligin’Analamanga, taranja atletisma. Lany hitantana iza­ny, mandritra ny efa-taona ma­naraka, Razafimandimby Ro­ger. Miisa roa ireo kandidà nifaninana tamin’izany, Andri­a­mahery Fanomezan­tsoa sy Razafimandimby Roger. Sek­s­ionina dimy no nandatsa-bato, Antananarivo Renivo­hi­tra, Ava­radrano, Atsimon­drano, Ambohidratrimo ary Manja­kan­driana. Nahazo vato telo i Roger, raha roa ny an’i Fano­mezantsoa. “Hiasa ary hitety anareo seksionina. Tsy hitantana ny fanampiana ara-bola omen’ny federasionina aho fa hatolotra anareo, hampandrosoana ny atletisma eny ifotony”, hoy izy. Tsy olom-bao­vao amin’ity taranja ity ny tenany fa sady efa atleta ihany koa ary efa nitantana ny seksio­nina Antananarivo Renivo­hitra.
Nialoha ny fandatsaham-bato, nisy ny fivoriambe ara-potoana nanaovan’ireo komity mpitantana teo aloha ny tatitra rehetra ka nahazoan’izy ireo fankatoavana “quitus”. Na izany aza, nisy olana ny an’ny seksionina Ambohidratrimo izay nisy filoha roa tonga ary samy nanana ny “certificat de conformité” voasonian’ny de­lege tany an-toerana. Nan­tsoina ny tomponandraikitra ka i Hajatiana no ara-dalàna, izay afaka nandatsa-bato. Din­gana manaraka ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasio­nina malagasy, hatao ny 7 febroary ho avy izao, eto An­tantanarivo.

Tompondaka

Partager sur: