“Can 2025” : Tafita amin’ny famaranana i Maroc sy i Sénégal

Enin-taona aty aoriana, hifandona indray i Maroc sy i Sénégal. Fifanandrinana anatin’ny famaranan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, “Can 2025”, izay tontosaina any Maroc, amin’izao fotoana. Ho fantatra ny alahady ho avy izao izay ho mpandresy amin’izany.

Adin’ny samy liona! Ho fantatra ny alahady ho avy izao, ao amin’ny Kianjan’ny Prince Moulay Ab­dellah Stadium, Rabat Maroc, ny firenena hibata ny amboa­ran’i Africa, “Can 2025”. Hiady io amboara lehibe io ny Lion de l’Atlas Maroc, mpampiantrano sy ny Lion de la Teranga Sé­négal. Raha hiverenana kely ny lalao manasa-dalan’izy ireo, ny Liona marokanina nanin­tsana an’i Nigeria, tamin’ny fandakana « tir au but », 4 no ho 2, rehefa nisaraka ady sa­hala samy tsy nisy nitoko, nandritra ny fe-potoana ara-dalàna. La­von’i Sénégal, 1 no ho 0, kosa i Egypte, baolina izay tafiditr’i Sadio Mané, kintan’ny baolina kitra senegaley, tany amin’ny minitra faha-78.

Ireto ekipa nasionaly roa tafita amin’ny famaranana ireto izay voasokajy ho ambony indrindra aty Afrika. Efa ma­nana ny lanjany eo amin’ny filaharan’ny Fifa ihany koa. Eo amin’ny laharana faha-11 i Maroc, ary faha-19 i Sénégal. Araka ny fikarohana natao, mbola manala vela amin-dry zareo maraokanina ny liona senegaley. Ny taona 2020, lalao ara-pirahalahiana no nifanandrinan’ny roa tonta farany, ary resin’ny maraokanina, 3 no ho 1, ny senegaley.
Ankoatra izay, tsy mbola mandao ny fifaninanana i Nigeria sy Egypte fa mbola miady ny laharana fahatelo na ny medaly alimo. Ity fifando­nan’ny roa tonta ity izay hatao ny asabotsy ho avy izao, ao amin’ny Kianjan’ny Stade Mo_ham­med V, Casablanca.

Tsara ny mampahafantatra fa hivoaka aorian’ity “Can 2025” ity ny filaharana vaovao izay havoakan’ny Fifa, ka andrasana indray ny laharan’ ny Barea vaovao amin’izany.

Fitia Randria

Partager sur: