Nampahafantarina omaly, teny Andakana, ny fisokafan’ ny sekoly ambony hanofana momba ny fizahan-any, fandraisam-bahiny ary ny nahandro avo lenta miaraka amin’ny Havila Premium izay efa manana ny Havila School manome ny fahalalana fototra momba ny sakafo sy ny fandraisam-bahiny ary ny fampiantranoana nanomboka ny taona 2013. Misy fepetra takina ho an’ny fandraisam-bahiny sy ny nahandro avo lenta, araka ny zavatra takin’ny malagasy sy vahiny mpanjifa ka hanofana tanora mahafehy izany no tanjon’ny sekoly ambony. « Miavaka ny fotodrafitrasa sy ny tontolo ivoaran’ny mpianatra mandritra ny fiofanana ary volavolaina izy ireo hizatra ho hentitra amin’ny kalitaon’ny asa sy ny tolotra omena », hoy ny mpanorina sady talen’ny Havila school, Andriantsitohaimanantena Toky, fantatra amin’ny anarana sefo Toky. Fizarana sy fampiharana ny 75% amin’ny fiofanana ary manana ny fitaovana sy fotodrafitrasa ny sekoly ambony.
Hanomezana sehatra ho an’ny tanoran’ny Faritra, hapetraka ny fiaraha-miasa amin’ ny lehiben’ny Faritra hisitrahan’ireo tena vonona vatsim-pianarana hiofana ao amin’ny Havila prémium. Manampy izay ny fanofanana mpampiofana hiparitaka manerana ny Nosy hampivelarana ny fizahantany sy ny fampisakafoana ary fandraisam-bahiny avo lenta. « Efa nahazo ny habilitation nanomboka ny taona 2025 teo ny sekoly ambony ary miara-miasa amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa », hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.
Vonjy




